Tsy nihemotra tamin’ny fanapahan-keviny ny kandida ho filoham-pirenena, Solo Norbert Andriamorasata, izay heverina ho zokiny indrindra hatreto amin’ireo kandida rehetra.
82 taona, raha tsiahivina ny tenany ary mpikambana eo anivon’ny fikambanan’ireo mpanao gazety zokiolona na FJD. Ny antoko politika UDECMA moa no manolotra azy ary anio amin’ny 11 ora raha tsy misy ny fiovana no hanaterany ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiany ho filoham-pirenena etsy amin’ny lapan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC. Mialoha izay dia ny kandidan’ny antoko PLD, Saraha Rabeharisoa no hanatitra ny anjarany.
J. Mirija
Légende : Ny kandida Solo Norbert Andriamorasata
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.