Araka ny efa nolazain’izy ireo dia nahatonga solontena nanatitra fangatahana teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC tokoa omaly ireo kandida miisa 10 nolavina ny dosieny tsy nahafeno fepetra maha kandida ho filoham-pirenena.
Manana zo sy mpifidy azy ireo kandida ireo, hoy ny solontenan’izy ireo. Nanana hatramin’ny 26 aogositra raha ny tokony ho izy ny HCC nampandrenesana izay tsy fahampiana dosie izay, raha ny fanazavan’izy ireo hatrany. Ny zava-nisy anefa dia ny 21 aogositra hariva dia efa nivoaka ny lisitr’ireo kandida afaka mandray anjara. Misy kandida anefa ao, hoy izy ireo, voarohirohy amina trafika maro saingy tsy nailika. Fifidianana mpangalatra sy mpanao trafika ve izany no mendrika ny Malagasy sy atao eto ? Ireo lazaina ho “favori” mihitsy anefa no voarohirohy amin’izany sady efa mangalatra depara no tsy manara-dalàna, hoy hatrany ny solontenan’ireto kandida ireto. Mitaky fanafoanana tanteraka iny fanapahan-kevitra iny izahay, hoy izy ireo.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.