Nanambara tamin’ny alalan’ny filohany, Jean Jacques Ratsietison, tetsy amin’ny Pavé Antaninarenina, omaly ny avy eo anivon’ny FMI Malagasy fa tsy manaiky ny hampandrosoana ny datim-pifidianana raha tsy voadio aloha ny lisitra.
Hivereno hamarinina aloha ny lisitra dia hampidiro izay tsy mbola ao, hoy izy. Tsy vita vetivety izany ka tsy mety aminay ilay hoe aroso amin’ny 29 aogositra ny datim-pifidianana. Betsaka ny fanadihadiana mbola tokony hatao raha mbola ho 30 isa mahery ihany ny kandida hifaninana eo satria hoe izay tsy mahazo 10% dia tsy mahaverim-bola. Ny dikan’izany dia ho maro ny kandida hanary vola eny am-baravarankely. Tokony hosaziana izay kandida mahazo isam-bato latsaky ny 2% ka raha 50 tapitrisa ariary no saram-pisoratana anarany dia atao 100 tapitrisa ariary ny saziny. Hohadihadiana koa ny loharanom-bolany, hoy hatrany ity filoha ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.