Politique

Kandida TIM Atsimondrano Nahazo tsodrano sy toromarika avy amin’ny filoha nasionaly


  • Alatsinainy 22 Jona 2015

Nampahafantarina nandritra ny kongresy kely notanterahana teny amin’ny Resto Gasy Anjomakely ao amin’ny kaominina Bongatsara ny sabotsy 20 jona teo ireo kandida ben’ny tanŕna hatolotry ny Tiako I Madagasikara hifaninana amin’ny fifidianana kaominaly ny 31 jolay 2015

 

. Ahitana ny olon’ny antoko TIM avokoa moa ireo kaominina 26 mandrafitra ny distrikan’Atsimondrano. Nanome voninahitra ny fihaonana teny an-toerana tamin’io fotoana io ny filoha nasionaly Ravalomanana Marc. Nitso-drano ireto olona voatsonga hitondra ny fanevan’ny antoko ireto ny filoha mpanorina ny TIM ary nanome toromarika sy nizara traikefa tamin’izy ireo ihany koa. Sarotra sy mitaky asa goavana izany andraikitra fitantanana ny tanàna izany, hoy ny ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra teo aloha Ravalomanana Marc. Notsindriany manokana fa adidin’ny ben’ny tanàna voalohany ny ezaka fanasoavana ny vahoaka fa tsy ny mahafaly azy. Fototry ny fampandrosoana ny fiarahamonina ifotony ny fametrahana ny fifampitokisana eo amin’ny olom-boafidy mpitantana sy ny vahoaka entina, hoy ny mpitarika ny antoko. Vonona rahateo ny tenany hitantsoroka sy hanome tanana ireo kandida ben’ny tanàna Tiako I Madagasikara izay tsy nisalasala nangataka fanampiana avy amin’ny filoha nasionaly. Fotoana ihany koa io niarahaban’ny TIM Atsimondrano ny ray mpitantana ny antoko noho ny fankalazana ny fetin’ny ray.

Ramano F.   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT