Politique

Kandida TIM Analamanga Hampandroso ireo kaominina 143


  • Alatsinainy 06 Jolay 2015

Mahafantatra tsara ny toerana misy azy eto amin’ny firenena ny antoko Tiako I Madagasikara amin’izao ankatoky ny fifidianana kaominaly izao. Azo ambara fa natory tokoa ny TIM tao anatin’ny 5 taona mahery nisian’ny tsy filaminana ara-politika teto Madagasikara.

 


 

 Efa miverina anefa ankehitriny ny herin’ny antoko talohan’ny taona 2009. Tanjaky ny antoko naorin’ny filoha nasionaly Ravalomanana Marc tamin’ny taona 2002 ny fananany fototra manerana ny nosy. Tsy ambakan’izany ihany koa ny fahaizan’ity antoko politika ity mampiroborobo ny fifandraisany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Mipetraka rahateo ny fifampitokisana eo amin’ny mpitarika foibe sy ireo mpikambana eny ifotony ary ireo mpamatsy vola ka sahy tanteraka ny Tiako I Madagasikara hitondra ny anjara birikiny hitondra fampandrosoana ho an’ireo kaominina 143 ao anatin’ny faritra Analamanga, hoy ny lehiben’ny antoko TIM Ravalomanana Marc nandritra ny kongresy notanterahana ny sabotsy teo teny Anosy Avaratra.

Mahalala, mahay, mahavita

Mazava ny lalan-kizorana ho an’ireo mpizaika Tiako I Madagasikara marobe niatrika ny kongresim-paritra Analamanga. Mitovy tanteraka amin’izay mantsy ny fomba fijery dia ny fampandrosoana ireo kaominina 143 izay mifantoka amin’ny fanamboaran-dalana ka hitondra ho avy feno fanentanana amin’ny fanatontosana ireo hetahetan’ny mpiara-belona. Voarain’ireo mpikambana rehetra, indrindra ireo kandida TIM ny hafatra sy toromarika avy amin’ny filoha nasionaly dia ny fahalalana, ny fahaizana ary ny fahavitana izay asa sy andraikitra takian’ny vahoaka.

Ramano F.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT