Politique

Kandida Tabera Randriamanantsoa Hiady amin’ny fianakaviambe iraisampirenena


  • Talata 21 Aogositra 2018

Nanasa ireo mpiara-dia aminy rehetra eo anivon’ny fivoizana ny atao hoe fanorenana ifotony tetsy amin’ny Pave Antaninarenina omaly ny komitin’ny fampihavanam-pirenena na ny CRN sy ny antoko Kintana tarihin’ny filohany Tabera Randriamanantsoa.

 

 

Solontena 10 isak’ireo faritra 22, raha ny fanazavany no tonga nanatrika ny kaongresy izay notarihin’izy ireo ary anton’izany ny fierana ny amin’ny filatsahany ho kandida ho filoham-pirenena. Tsy matahotra fifidianana izahay, hoy izy, fa ny fifidianana mihitsy no tsy vahaolana. Voaporofo tao anaty 60 taona izay. Diso fahavalo isika satria ny fianakaviambe iraisampirenena no tena fahavalontsika. Ry zareo foana, hoy ny filoha Tabera Randriamanantsoa, no mibaiko hoe ataovy ny fifidianana kanefa ny eto mbola te hiady hevitra. Izaho, hoy izy raha kandida dia hiady amin’ny fianakaviambe iraisampirenena mba tsy hanaovany antsika ho toy ny zazakely intsony. Neken’ireo namany moa ny firotsahan-kofidian’ity kandida ity ary raha ny tokony ho izy dia anio no hanaterany ny dosieny. Hiantso ireo kandida hafa namany ihany koa anefa ny tenany mba hanao antsoavo hanemorana ny datim-pifidianana raha ny vaovao voaray tetsy Antaninarenina hatrany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT