Politique

Kandidŕ Solombavambahoaka Miara-Dia Miantso ny vahoaka ho tony sy tsy ho voan’ny velam-pandrika intsony


  • Alarobia 03 Jona 2015

Manoloana ny zava-misy ankehitriny, hoy Atoa Lafatra Rakotovololona Abraham mpitondra teny tamin’ny fitafana tamin’ny mpanao gazety tetsy Andrefanambohijanahary, dia tsy hainay KSMD na ireo Kandidŕ Solombavambahoaka

 

Miara-Dia izay anisan’ireo tsy lany tamin’ny fifidianana farany teo ny hangina ka hamela  ny vahoaka ho very fanahy mbola velona eo anatrehan’ny fahasahiranana mianjady aminy. Noho izany dia maneho etoana izahay fa aminay dia tsy ankasitrahana ny fihetsika mamoafady nataon’ireo solombavambahoaka teny Tsimbazaza, noho izany dia tsy ankasitrahana manaraka izany ny fihetsika fanonganam-panjaka na mivantana, na ankolaka nataon’ny ankolafina solombavambahoaka vitsivitsy koa manainga ny vahoaka izahay mba ho tony ary tsy ho voan’ny velam-pandrika intsony ho any amin’ny lalàn’ny krizy vaovao indray. Aminay mantsy, hoy izy ireo, dia tena miezaka manarina ny firenena tafiditra tanaty lavaka mangitsokitsoka nanomboka tamin’ny Repoblika voalohany ka hatramin’izao Repoblika fahaefatra izao ny filoha Hery Rajaonarimampianina.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT