Politique

Kandida Serge Imbeh Jovial “Atahorana aho matoa kianina”


  • Alakamisy 23 Aogositra 2018

Manoloana ny fanakianana na fanaratsiana kandida ho filoha, dia atahorana ianao matoa kianina, saingy izaho tsy hanao izany, hoy ny kandida Serge Imbeh Jovial, kandidan’ny antoko Antoky ny Fivoaran’ny Malagasy (AFIMA),

 

 iray amin’ireo 36 hifaninana amin’ny 7 novambra izao. Aleo asiana adihevitra amin’ny haino aman-jery, ary izaho efa nangataka an’io, raha misy fanakianana ahy, hoy ity kandida ity. Ny olona matoa manakiana dia tsy misy zavatra haroso ao. Ny tetikasako ho an’ny firenena no natolotra fa tsy mba mitsikera  aho. Mikasika ny lalàm-pifidianana, tsy asiana adihevitra firy iny fa efa lany. Mahatoky ny andrim-panjakana rehetra ity kandida ity fa hizotra araka ny tokony ho izy io fifidianana io. 35% amin’ny mpifidy 10 tapitrisa eo eo ho eo ny taham-pandraisan’anjara amin’ny latsa-bato raha ny fanadihadiana. Tsy manana olona mikarakara an’io izy, tsy manana olona ihany koa ao anatin’ny governemanta, izany hoe tsy misy olon’izy ireo voafatotra ao anatin’ny fiandraketana ny fifidianana fa manana olona izahay aorianay dia ny vahoaka, ary mahatoky ny feon’ny fieritreretan’ny tsirairay. Antenaina hifidy azy ny Malagasy rehetra satria handresy lahatra ny rehetra aho, hoy izy, izay manindry fa manan-danja ireo 65% tsy mifidy, ary farafaharatsiny tokony ho tratra ny 50% amin’ny fifidianana filoha tahaka izao, raha ny nambarany. Very ny fitokisana ary ny mpanao politika ihany no nahatonga io, ka tsy maintsy ny mpanao politika no mamerina azy. Ny filazana ny zava-marina na fahasarotana sedraina io na inona no hahafahana manao izany, tsy hafenina amin’ny vahoaka ny zava-misy na ny fahombiazana na ny lesoka hita. Ho azy, rehefa tonga eo dia tsy hanome tsiny lava amin’ny hoe ny mpitondra nifanesy teo no nandetika ny firenena satria raha manana izany eritreritra hoe hanipy ny olana any amin’ny sasany, dia aleo tonga dia tsy mirotsaka satria efa fantatra ny lesoka. Manamafy ny tenany fa izy irery ihany no efa vonona ny 80% ny fifanekena ara-piaraha-miasa hahafaha-manatratra ny fampandrosoana, izay tsy misy takalony ary mangarahara. Fanamby hapetrany ao anatin’ny vinany moa ny hoe 92% ny tahan’ny fahantrana amin’izao, ary azo atao ny mampidina an’io ho 55% ao anatin’ny 5 taona io, ka ny tanjona amin’ny ezaka antonony dia azo hanatrarana an’io.

Toky R sy Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT