Politique

Kandidà sasany Maka toky any ivelany…


  • Talata 04 Septambra 2018

Mihazakazaka faramparany any andafy ireo kandida sasany amin`izao akaiky fifidianana izao. Maka toky any amin’ireo mpamatsy vola avy any ivelany angamba satria tsy mora ny miatrika fampielezan-kevitra ka mampanantena ny mpanome vola hanome vahana azy raha voafidy eo izy.

 Raha tsy lany filoham-pirenena mantsy dia sitrany mba voatendry ho minisitra hamerenana izay tambiny izay. Manao kajikajy mivarotra vato amin`izay kandidà hiatrika fifidianana fihodinana faharoa. Ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, ohatra, nitarika ny delegasiona malagasy any Beijing ary mandray anjara amin'ny fihaonana an-tampon'ny fiaraha-miasan'i Sina amin'i Afrika. Ekena fa ny zoma ho avy izao ny fe-potoana farany hitondrany firenena saingy kosa miendrika fakan-toky faramparany an`ireo mpamatsy vola. Tsy mitsahatra ny miketrika rahateo ny sain’ny mpitondra fanjakana mba ampahombiazana ny Fisandratana 2030. Eo ihany koa, ny filohan`ny antoko MTS, Roland Ratsiraka, izay fantatra fa any ivelany amin`izao fotoana. Raha ny vaovao voaray dia naka ny vady aman-janany izy kanefa fotoam-pifidianana izao, fotoana fametrahana stratejia manokana amin`ny fiatrehana safidim-bahoaka. Araka ny loharanom-baovao voaray ihany koa, lasa any Etazonia ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Jean Max Rakotomamonjy kanefa afaka iray volana ny fampielezan-kevitra. Tsy maintsy atao izay haharesy lahatra ny mpamatsy vola vahiny mba hanomezany vola saingy kosa hitady fanampiana misy takalony. Lalana iray tsy azo hialana ny fanampian’ny mpamatsy vola, amin`izao ankatoky ny fifidianana izao. Mbola maizina ny hoavin’i Madagasikara, na dia firenena hambara fa manana ny hareny aza kanefa toa ny vahiny indray no mahazo tombontsoa amin’ireny harena eto amintsika ireny.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT