Misinda ny ahiahin’ny mpanohana manerana ny Nosy satria tafapetraka teny amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny sabotsy 18 aogositra 2018 teo ny taratasy filatsahan-kofidiana ho filoham-pirenena an’i Marc Ravalomanana.
Ny zanany vavy tokana Saraha Ravalomanana no nitarika ny delegasionina marobe tetsy amin’ny HCC Ambohidahy, ka izy no kandida faha-16 nahatafapetraka ny dosie. Maika daholo ny fanarenana an’i Madagasikara iray manontolo ary mbola ho avy i dada satria izy no kandida, hoy izy. Amin'ny fomba ofisialy no hilazako Marc Ravalomanana fa voapetraka teny amin'ny HCC ny antontan-taratasy firotsahako hofidiana ho filoham-pirenena amin'ny fito novambra ho avy izao, ary mirotsaka amin'ny anaran'ny Tiako i Madagasikara aho, hoy kosa i Marc Ravalomanana. Tonga ny fotoana hiarahana hanarina izay noravana sy nosimbana teto amin'ity firenena ity nanomboka tamin'ny 2009, hoy izy. Hamerina sy hampitombo hasina indray ny tanindrazantsika malala, hanarenana amin'ny laoniny ny fiainan'ny olona izay nikorosofahana, hitondrana ny fampandrosoana mipaka amin'ny isambatan'olona, hamoronana asa, hametrahana ny fandriampahalemana. Tsy hitarain-tana-miepaka isika, hiaraka hijoro, hiara-kiasa hampandroso an'ity Madagasikarantsika ity, ahafahan'ny Malagasy rehetra misitraka izany. Ny firenena izay hatsangantsika dia firenena tena vanona. Ka sahia... Ianareo tokiko, ary izaho tokinareo. Mifampatoky isika ary hankinintsika amin'Andriamanitra ny zavatra rehetra, hoy i Marc Ravalomanana. Fety be moa ny tany Toamasina ny takarivan’ny sabotsy teo satria notanterahina tany an-toerana ny famaranana ny faha-15 taonan’ny Antoko Tiako I Madagasikara natrehin’i Marc Ravalomanana sy ireo mpikatroka ana hetsiny, hipoka hafaliana noho iny vaovao lehibe iny.
Marc Ravalomanana no filohan’ny Komity fankalazana ny faha-50 taonan’ny FJKM nomarihina tany Toamasina tamin’iny herinandro iny, ka nisaotra ny mpianakavin'ny finoana rehetra amin'ny anaran'ny komity noho ny nahatontosana ny fotoana rehetra sy ny asa nanamarihana ny ivon'ny jobily. Nanolotra fanomezana mitentina 450 tapitrisa ariary nentina nananganana ny tsangambaton’ny jobily izy. Anisan’ny hafatra nataon’ny Filohan’ny FJKM, Mpitandrina Irako Ammi Andriamahazosoa kosa ny fanamafisana ny efa nataony ny 20 janoary teny Mahamasina dia ny hoe: “aza menatra ny manao politika” .
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.