Politique

Kandida Ratsietson « Tsy misy firenen-dehibe mamatsy ahy izany »


  • Talata 18 Septambra 2018

Nalaza tato ho ato fa maro amin’ireo kandida no natonin’ireo rosianina. Akaiky ny toeram-ponenan’ny masoivohon’ity firenen-dehibe iray ity no misy ny 1 amin’ny birao fiasan’ny kandidan’ny antoko FMI Ma, Jean Jacques Ratsietson, etsy Mahatony.

 

 

 

Tsy vatsian’ny rosianina aho ary tsy misy firenen-dehibe mamatsy ahy na iray aza. Averiko hatrany fa efa tafapetraka eo anivon’ny HCC ny fametraham-pialako raha sanatria tsy tanteraka izay nampanantenaiko rehefa lany. Izany hoe tsy tompon’ny hoaviko intsony aho. Ny fifamatorana nifanaovako tamin’ny vahoaka dia miasa 1 volana ny governemantako dia midina antsasany ny vidin’entana rehetra hafarana avy any ivelany toy ny solika, fanafody, vary, menaka, siramamy, moto, zezika, bisikileta. Hidina antsasany indray ireo ao anatin’ny 2 taona, raha ela. Tsy mihetsika ny karama ary tsy ny olona no hitady asa fa ny asa no hitady olona, hoy hatrany ity kandida ho filoham-pirenena ity.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT