Politique

Kandida Rabry Hanarina an’Ambatolampy


  • Talata 30 Jona 2015

“Mihemotra ary tsy nahitana fandrosoana teto Ambatolampy no nanosika hilatsaka ho Ben’ny Tanana”, hoy ny kandidŕ Rabry natolotry ny antoko Tim ao amin’ny Kaominina ambonivohitra ambatolampy.

 

 Anisan’ireo kandidà hilatsaka hofidiana ao amin’ity kaominina Ambatolampy ity, Atoa Razafimahatratra Bruno Felinirina, fantatry ny maro amin’ny solon’anarana hoe Prezidà Rabry ka laharana faharoa amin’ny biletà tokana ny tenany. Efa mpanolotsaina tamin’ny anaran’ny antoko Tim ihany ny tenany ary efa filohan’ny filankevitry ny tanàna ihany koa aza ka nahita ny fivoaran’Ambatolampy hatramin’izay ka nahatonga izao fanapahan-kevitra goavana izao. Taorian’ny nialan’ny filoha Ravalomanana teo amin’ny fitondrana, hoy izy dia vita hatreo koa ny fampandrosoana teto Ambatolampy. Na eo aza moa ny drafitra fampandrosoana efa voavolavolan’ny antoko Tim eran’i Madagasikara ao anatin’ilay Map kaominaly dia nambarany kosa fa misy ny tena maika ao Ambatolampy ao, toy ny lalana mampifandray ny fokontany amin’ny renivohitra Ambatolampy izany, eo ihany koa ny rano fisotro madio eny amin’ireo fokontany izany, ary ny tena zava-dehibe dia ny fanorenana toeram-pamonoana biby toy ny omby sy ny kisoa izany na ny “Abattoir” io, izay tsy mbola nisy mihitsy tao amin’ity kaominina ambonivohitra ity kanefa mikasika ny fahasalam-bahoaka izany. Mahatsapa kosa ny tenany amin’izao fotoana fa efa eto an-toerana ny filoha Ravalomanana izay manana paikady goavana amin’ny fampandrosoana na dia tsy filoham-pirenena aza dia vonona ny hitantana ny tanànan’Ambatolampy ny tenany mba tsy ahatara ity kaominina ambonivohitra iray ato anatin’ny faritra vakinanakaratra ity miaraka amin’ny antoko Tim. Misy moa ny fiaraha-miasa matotra eo aminy sy ny kandidà Tim eto Antsirabe voalohany noho ny amin’ny samy tanàn-dehibe azy eto amin’ny faritra, mba hampirindra ny fampandrosoana rehefa aorian’ny fifidianana. Miisa fito moa ireo kandidà hifaninana aminy ka ny 6 amin’ireo no lehilahy.


Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT