Anisan’ireo kandida amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena izay hotanterahina ny 7 novambra izao ihany koa Atoa Orlando Robimanana, lehiben’ny tahirim-bolam-panjakana teo aloha, atolotry ny antoko Madagasikara Vina sy Fanantenana.
Tany Anjeva no nampahafantarany izany tamim-pomba ofisialy omaly, toerana izay manakaiky ny faritra niaviany ihany sady tsy lavitra ireo mpanohana azy eto an-drenivohitra. Nambarany fa ny fanovana ny faritra momba ny fitantanam-bolam-panjakana no imasoany voalohany raha vantany vao lany ho filoham-pirenena ny tenany. Ny 70 %-n’ny tetibola dia nohazavainy fa lany fotsiny amin’ny fampandehanan-draharaha avokoa ka ny 30 % ambiny no miverina any amin’ny vahoaka mba hananganana fotodrafitrasa. Ho an’ity farany dia nohamafisiny fa mbola hindramina any amin’ny mpamatsy vola ny ankamaroany izay handohalihantsika mihitsy ka tsy ny fanjakana intsony no mibaiko fa ry zareo vahiny. Mikasika ilay 70 %-n’ny tetibola ka ilazana fa hanampiana ny orinasa JIRAMA dia nomarihin’Atoa Robimanana Orlando fa tsy ho an’ny JIRAMA loatra ilay 400 lavitra Ar alaina amin’io 70 % io fa handoavana ny vidin’ny solika hampihodinana ireo groupe electrogene izay hampiasaina nefa isika nomena rano sy masoandro azo hampiasaina tsara. Nasiany resaka ihany koa ny mikasika ilay vola 80 lavitra Ar hividianan’ireo tompon’andraikitra ambony solika ka hananan’ny olona iray kôta hatrany amin’ny 3 tapitrisa Ar nefa tsy tokony hihoatra ny 30 lavitra Ar ny vola hatokana ho amin’izany ho antsika eto Madagasikara. Ho an’ity kandida iray ity moa dia efa voarafitra anatin’ilay boky Vina sy fanantenana ho an’i Madagasikara ny asa izay hotanterahiny, hotronin’ireo teknisiana Malagasy marobe izay nomarihiny fa tsy tokony hatositosika. Tonga nitondra am-bavaka sy nitso-drano azy teny an-toerana ireo raiamandreny ara-panahy sy ara-drazana maro samihafa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.