Politique

Kandida Orlando Robimanana Niharan-doza ny fiara nitondra azy


  • Alatsinainy 08 Oktobra 2018

Niharan-doza teo anelanelan’Antalaha sy Sambava omaly alahady tokony ho tamin’ny 7ora sy fahefany hariva teo ny fiara nitondra ny kandida laharana faha 35 Orlando Robimanana.

Potika tanteraka ny lohan'ny fiara 4x4 nitondra azy sy ny delegasiona niara-dia taminy nodomina kamio lehibe izay nifanena taminy ; ary hita fa mafy dia mafy  tokoa ny fifandonana.Nampidirina avy hatrany ao amin'ny Hopitaly Be ao Sambava ny tenany sy ireo mpiaradia aminy hatry ny omaly hariva,ary efa nahazo ny fitsaboana.Nanamarika ireo ekipan’i Orlando Robimanana fa anaty aizina tanteraka ny tanànan'i Sambava ka manano sarotra ny mpitsabo ny manatanteraka ny asany.Avy nanatanteraka fihaonana tamin'ireo mpandraharaha ara-toekarena tao Antalaha moa ity kandida ity ary nitodi-doha hody any Sambava izao niharan-doza izao.


RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT