Politique

Kandida nizara volabe Hitory izahay, hoy i Fanirisoa Ernaivo


  • Alarobia 14 Novambra 2018

Hametraka fitoriana manoloana ny lesoka hitany tamin’ny fifidianana ireo vondron’ny kandida maro tato anatin’ny fifidianana, izay efa nampaneno lakolosy im-betsaka noho ireo lesoka hitany sy ny karazana kajikajy maloto.

 

 

 

Isan’ny navoitran’ny kandida Fanirisoa Ernaivo ny mikasika ilay tatitry ny Mpanara-mason’ny vondrona Eoropeanina momba ny fisian’ny kandida nampiasa vola sy nividy safidim-bahoaka. Hametraka fitoriana izy ireo ary mitaky fandraisana fepetra sy sazy mifandraika amin’ny lalàna. Mampahatsiahy ny voalazan’ny andininy faha-233 amin’ny lalàm-pifidianana amin’ny fanesoarana tsy ho olom-pirenena, tsy ho afaka hofidiana sy hanao asa amin’ny maha olom-boafidy intsony ankoatra ny onitra. Raha mihantra io lalàna io, dia misy kandida ho raraka avy hatrany. Hahasahy hanao izany ve isika tompon’andraikitra Malagasy, hoy i Fanirisoa Ernaivo. Miara-manaiky ny rehetra fa feno hosoka io. Izao dia ny kandida tsy niaraka taminay aza dia miaiky fa nisy ny birao fandatsaham-bato hosoka,… Isan’ny naneho izany moa ny antoko HVM ny faran’ny herinandro teo izay nilaza fa nisy mihitsy ny fanodikodinana voka-pifidianana tamina biraom-pifidianana an’arivony sy ny resaka famotsiam-bola. Any amin’ny faritra, toy ny any Ambatondrazaka sy Toliara aza, dia voalaza fa misy ny vola sandoka nentina nanambarazana olona hifidy kandida iray.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT