Politique

Kandida nampiasa volabe Tandremo sao tsy lany eo dia hanakorontana, hoy Riribe


  • Talata 06 Novambra 2018

Naneho ny heviny momba ny raharaham-pirenena Rakotomalala Henri na Riribe filohan’ny Federasionin’ny gadra politika na ny FEDEP omaly teny Ampandrana.

 

 

 Tsy ohatr’izao ny firenentsika raha tsy naongana i Marc Ravalomanana tamin’ny taona 2009, hoy izy. Ilaina ny mihavana sy mifamela, hoy ity mpanao politika nigadra tamin’ny fitondrana Ravalomanana ity, ary inoana fa hipetraka ny filoha afaka hanao ny fampihavanam-pirenena. Ny resaka lonilony politika efa nivalona. Samy mivavaka, ka tokony hifamela heloka. Tsy ilaina intsony ny ady sy korontana sy ny valifaty fa fifamelana no ilaina. Mikasika ny fifidianana, dia aoka tsy hofitahana amin’ny hafitsoky ny kandida amin’ny eboebo sy ny nofinofy. Avy aiza ny vola nanaovan’izy ireny propagandy ? Ny zavatra hisy dia famarotana tanindrazana, hoy izy.  Ny hala-bato, dia heverina fa tsy hisy na dia efa misy aza any ambadika mitetika an’izany. Efa mandeha ny fanaraha-maso ka hatramin’ny avy any ivelany no miketrika azy io. Efa niteny izahay hoe tokony hojerena ny hanemorana ny fifidianana, fa tsy nety ny mpanao politika, indrindra fa mieritreritra ny ho lany satria mampiasa vola be. Tandremo sao tsy lany eo, dia hanakorontana, hoy izy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT