Voafatotry ny fisorohana ny rotaka politika ny fampiharan-dalàna eto Madagasikara, raha jerena amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana.
Sarontsaronana amina kazarana didy miendrika fandaminana ny fampiharan-dalàna eto, izay mety hisy lafy tsarany fa mety ho leson-dratsy ihany koa, raha tarafina amin’ny fitsarana ara-politika teto Madagasikara tato anatin’ny taona vitsivitsy. Tsaroana tsara ny zava-nisy tany amin’ny jolay 2015 nisian’ilay fitsipaham-pitokisana ny filoha nataon’ny antenimieram-pirenena saingy, narovan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC tamin’ny alalan’ny “pacte des résponsabilités” ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Nitohy indray izany taty amin’ny taona 2018 ary raha ny lalàna no nampiharina an-tsakany sy an-davany efa niongana indray ny filoha ny volana aprily satria tsy nahafeno ny fepetra voafaritry ny lalàmpanorenana toy ny tsy nanangana ny fitsarana ambony na ny HCJ tamin’izany, izay azo hanesorana azy tamin’ny toerany, saingy ny governemanta no noravana. Raha vantanina ny resaka, tsy mihatra ara-bakiteny ny sazy mifandraika amin’ny mety ho fandikan-dalàna noho ny mety ho fijerena mason-tsivana ara-politika maro. Hiverenana ny zava-misy ara-politika mifandraika amin’ny fifidianana amin’izao fotoana izao. Nisy ny kandida voalaza fa nampiasa volabe tamin’ny fifidianana, ary ny mpanara-mason’ny sehatra iraisam-pirenena no efa nanao ny tatitra, ka isan’ny notononiny ny kandida Andry Rajoelina izay anisan’ny mahazo isam-bato ambony amin’izao. Mandeha ihany koa ny fitoriana ataon’ireo kandida filoha sasany momba izany. Ny andininy faha-233 amin’ny lalàna mifehy ny fifidianana sy ny fitsapankevi-bahoaka dia milaza fa mandoa onitra avo roa heny amin’ny noraisina na nomena, tsy afaka misitraka ny zony ary tsy afaka hanao asam-panjakana, voarara tsy afaka misitraka ny asa maha olom-boafidy mandritra ny 5 ka hatramin’ny 10 taona. Raha ny lalàna izany no hampiharina dia mety horoahana tsy ho kandida avy hatrany izay nanao izany, ary tsy hisaina akory ny vato azony. Ho sahy hanao izany ve ny HCC na ny fahefam-panjakana hafa afaka mandray fanapahan-kevitra ? Sarotsarotra inoana na dia ny resaka fisorohana ny fananganam-bovona ataon’ny mpanao politika aza. Rahoviana izany vao tena hihatra ny lalàna ? Ho vitavita ho azy foana ve ny fandikan-dalàna ara-politika ary hanjaka hatrany ny tsimatimanota ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.