Ny 7 novambara 2018 no daty voafaritry ny lalàna hanatanterahana ny fifidianana filoha ary efa samy manana ny laharany ao anatin’ny biletà tokana avokoa ireo kandida.
Misy amin’izao ireo kandida re fa manomboka mamondron-kery ary mikendry ny hanemorana ny fifidianana aloha. Maromaro rahateo ireo vao nanatitra dosie, dia efa naneho ny ahiahiny sy ny tsy fankasitrahany loatra ny fomba fanatanterahana ny fifidianana noho ny fahitany ny lesoka maro toy ny lalàmpanorenana. Anisan’ny efa nitondra fanakianana ny kandida Joseph Martin Randriamampionona na Dadafara, Jean Omer Beriziky, ny avy amin’ny antoko Arema tarihin’ny amiraly Didier Ratsiraka. Hamondro-kery hitaky ny fanemorana fifidianana ve izy ireo sa mba samy milaza ny heviny fotsiny ? Re ihany koa mantsy fa mahatsapa tsy fitovian’ny herijika satria misy kandida efa nanao fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana hatry ny ela. Tsy mety ary tsy ekena fa daty namboamboarina ary ny fanjakana dia natsangana tamin’ny alalan’ny fifanarahana politika. Antoko telo na efatra no nampidirina ao, hoy kosa ny fanehoan-kevitry ny kandida Arlette Ramaroson. Tsy mitombina sy tsy ara-dalàna io governemanta io, hoy izy, ka na inona na inona avoakany miaraka amin’ny CENI, dia tsy ara-dalàna raha halalinina ny fanehoan-keviny. Maninona no atao 7 novambra, kanefa ny lalàna aza milaza 23 novambra hatramin’ny 23 desambra, kanefa dia amboamboarina fotsiny ? Miantso ny kandida rehetra hiara-kikaon-doha ny tenany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.