Tsy mitsahatra ny manamafy ny kandida ho filoham-pirenena, Marc Ravalomanana fa vonona hiatrika ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana.
Manantena aho fa hifanaja tsara sy hanaja izay fepetra apetraka eo ny rehetra. Ho marik’izay fahavononany izay moa dia notanisainy mihitsy fa efa maro ireo faritra noteteziny hiomanana amin’izany tamin’ny herinandro toy ny tao Marolambo, Farafangana, Vangaindrano, Taolagnaro sy ny hafa marobe mandra-piveriny teto Antananarivo indray. Izany koa no nentiny nanaporofoana fa tsy manavakavaka foko sy fiaviana ny tenany. Raha manavaka azy aho, dia tsy namboariko ny lalany. Tsy nomeko asa ary tsy nampianariko ny zanany, raha izany no marina. Ny olona miteny fa manavakavaka aho satria tian’izy ireo ho izy ireo no eo akaikiko. Tokony hisy hetsika atao amin’izay fa tsy vava fotsiny. Samy hafa ny orizinaly sy ny kopia. Ny iray nofinofy fa ny ahy tena izy, hoy izy. Niainga avy amin’ny Manifesto ny ahy ireny. Miainga foana amin’ny fanamboaran-dalana. Averina ny fandriampahalemana. Hohatsaraina ny fampianarana. Rehefa milamina ireo dia mitohy indray amin’ny fanatsarana fotodrafitrasa. Hapetraka mba tena amin’ny maha “magistrat de la ville” azy amin’izay ireo ben’ny tanàna. Hidirana koa ny fitsinjaram-pahefana tena izy ary hamafisina ny hambom-po Malagasy satria isika eto izao mbola manao “yes man” fotsiny, hoy hatrany ity kandidan’ny antoko Tiako I Madagasikara ity. Mikasika ny fifandraisany amin’ny antoko politika HVM kosa dia nilaza izy fa efa miara-dia amin’ny antoko TIM ny Hery vaovao ho an’i Madagasikara. Efa mazava be na “automatique”, hoy izy, io. Misaotra ireo mpanohana rehetra aho, indrindra, ireo antoko lehibe toy ny HVM. Misy ben’ny tanàna ao, misy minisitra, ao koa ireo mpandraharaha toa an-dry Mbola Tafaray. Tohizo, hoy izy, fa hampiombona sy hampitovy lanja no tanjontsika. Eo anatrehan’ny fikatsahan’ny mpanao politika sasany hanafoana ny fifidianana ka hananganana tetezamita, dia lazaiko aminareo fa tsy afaka misahana irery ny fikarakarana ny fifidiananana i Madagasikara fa miankina be dia be amin’ny fanampiana avy any ivelany, izay no anton’ny « basket fund ». Raha misy ary ireo mpanao politika nahazo vato mikofokofoka dia tsy afaka mandika ny lalàmpanorenana ny CENI fa tsy maintsy mizotra io matoa nandrotsaka vola 1 tapitrisa ny Vondrona Eoropeana, ary neken’ny « observateurs » izay nanara-maso ny fifidianana. Tsy afaka miolonolona irery i Madagasikara fa tsy maintsy miaraka amin’ny firenen-dehibe ka raha mikononkonona izy ireo na mitady hanakorontana, tany misy fanjakana anie ity, hoy i Dada. Inty aho eto. Ho lany aho, hoy ny namaranany azy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.