Politique

Kandida mankato fifidianana Manomboka mampiaka-peo koa !


  • Alatsinainy 15 Oktobra 2018

Efa nilaza ny heviny ny kandida ho filoham-pirenena, Paul Rabary, nialoha ny fiatombohan’ny fampielezan-kevitra fa tokony hanapa-kevitra ireo kandida mitaky ny hanemorana fifidianana na hanao izy na tsy hanao.

 

 

Ankoatra ity kandidan’ny antoko Miasa ity dia nanamafy kosa ry zareo avy eo anivon’ny antoko Aba, izay nanolotra ny kandida Jean Ravelonarivo fa fifidianana ihany no vahaolana amin’izao fahantran’ny Malagasy izao. Nampiaka-peo koa ary ankehitriny ny kandidan’ny antoko RDS, Mamy Richard Radilofe, ary nanamarika fa diso ny filazana azy ho isan’ireo kandida 22 isa manohitra ny fifidianana. Ny lalàna no mamaritra antsika hanao fifidianana amin’ny 7 novambra ka noho izany dia tokony hohajaina izay. Tokony hihaino ireo olona sy kandida izay mitaky ny hijerena ireo lesoka amin’ny fanatanterahana izany ihany koa anefa ny mpitondra, hoy izy. Mila jerena miaraka ny vahaolana ary tsy voatery marimaritra iraisana no tadiavina fa mety ho marina iombonana koa. Ireo kandida 22 isa mitaky ny fanemorana ny fifidianana moa, etsy an-kilany, dia mbola mitaky ny fialan’ny filohan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, Jean Eric Rakotoarisoa.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT