Efa nilaza ny heviny ny kandida ho filoham-pirenena, Paul Rabary, nialoha ny fiatombohan’ny fampielezan-kevitra fa tokony hanapa-kevitra ireo kandida mitaky ny hanemorana fifidianana na hanao izy na tsy hanao.
Ankoatra ity kandidan’ny antoko Miasa ity dia nanamafy kosa ry zareo avy eo anivon’ny antoko Aba, izay nanolotra ny kandida Jean Ravelonarivo fa fifidianana ihany no vahaolana amin’izao fahantran’ny Malagasy izao. Nampiaka-peo koa omaly ny kandidan’ny antoko RDS, Mamy Richard Radilofe fa ny lalàna no mamaritra antsika hanao fifidianana amin’ny 7 novambra ka noho izany dia tokony hohajaina izay. Tokony hihaino ireo olona sy kandida izay mitaky ny hijerena ireo lesoka amin’ny fanatanterahana izany ihany koa anefa ny mpitondra, hoy izy. Mila jerena miaraka ny vahaolana ary tsy voatery marimaritra iraisana no tadiavina, hoy izy, fa mety ho marina iombonana koa. Ireo kandida 22 isa mitaky ny fanemorana ny fifidianana moa, etsy ankilany, dia niara-nitaky ny fialan’ny filohan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana tetsy amin’ny HCC Ambohidahy, iny omaly iny hatrany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.