Efa ela izahay no niteny ny tsy fetezan’izao fifidianana izao, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko politika VAhoaka MIray (VAMI), Gaby Vakiniadiana.
Tokony hanokatra fanadihadiana mikasika ny loharanom-bolan’ireto kandida manatobaka volabe ireto ny Samifin sy Bianco. Fantatra fa efa tao anaty fitondrana ireo. Ilay vahoaka notambazany menaka sy vary ankehitriny no lasa mifamono. Ny olon-dehibe anie afaka mitsoaka e ! Efa fantatra fa mety tsy hanaiky ny olona mandany volabe toy ireny izay mihevitra fa momba azy daholo ireo mijery ny afomangany. Ny fampanantenany amin’io dia ho toa an’i Miami i Toamasina. “Ho vita ao anatin’ny 5 taona ve izany ?”, hoy ity mpanao politika ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.