Andro vitsivitsy sisa no isaina dia hilona tanteraka ao anatin’ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena isika eto Madagasikara.
Nilaza ny fepetra sy ny tsara ho fantatra omaly Atoa Ravelonarivo Angelo, lehiben’ny prefektioran’Antananarivo, notronin’ireo mpikambana eo anivon’ny vondron-kery manokana mitambatra na ny OMC ( Organe Mixte de Conception) ahitana ny polisy, ny zandary, ny miaramila. Ny hisian’ny fitoniana sy ny filaminana mandritra ny fampielezan-kevitra no tanjona ka tsy azo ekena ny fifanaratsian’ny samy kandida ; mety hitarika fanintsanana ilay kandida manaratsy ny hafa mihitsy ny fepetra ho raisina, hoy ny fanazavana. Ao koa ny kabary mety handranitra adim-poko araka ny lalàna 60 082 mikasika ny famoriam-bahoaka sy ny fanaovana fihetsiketsehana. Ankoatra izay dia 48 ora mialoha ny hanaovana hetsika iray toy ny eny Mahamasina sy Coliseum ny kandida iray no tokony hanatitra ny taratasy fangatahana eny anivon’ny prefektiora ka anjaran’ny OMC ny mandritra ny fitandroana ny fandriampahalemana mandritra izany. Tsy azo atao kosa anefa ny manao propagandy na mamory vahoaka eny an-tsena, any amin’ny hopitaly sy ny sekoly ary ny toby miaramila. Raha sanatria ka mbola misy minia mandika ireo fepetra ireo moa dia nambarany fa ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana no handray an-tanana izay mety ho tohiny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.