Tsy misy resaka ny fanaraha-maso ny vola hampiasain’ny kandida amin’ny fifidianana, ary tsy resahina intsony ilay soso-kevitra hametra ny vola azo ampiasaina, izay tokony hatao lalàna.
Mazava ho azy fa tsy hitovy mihitsy ny herijikan’ny kandida ao anatin’io satria hisy ny hampiasa volabe ary ao kosa ny eo ho eo ihany ary misy ny tsy dia hanana hatoraka. Tsy mbola ao anatin’ny propagandy anefa isika amin’izao fotoana dia efa tena mifafifafy ny vola, ka tsy fantatra intsony izay hitranga rehefa tena raikitra tokoa. Fa vola avy aiza ilay atao fafy katrana hividianana vahoaka hifidy ? Korontana tsy hifankahitana no aterak’io fampiasana volabe io satria tsy hipetra-potsiny ireo tsy lany noho ny volabe efa natontony tao, fa hanakorontana raha tsy homena seza. Aiza ho aiza ny sampandraharaha mpanara-maso ny famotsiam-bola na ny SAMIFIN ? Na inona na inona holazaina, misy tsy mangarahara ny loharanom-bolan’ireo kandida sasany, ary tsy tongatonga ho azy, ohatra, ny fitoriana napetrak’i Pety Rakotoniaina sy ny HFI mahakasika an’i Andry Rajoelina, izay lazain’izy ireo fa tsy mendrika ny hitondra firenena intsony satria sady mpangalatra no mpangoron-karena. Mba hisy hihaino sy hiraharaha ve ireny fitoriana ireny ? Toa efa maromaro ihany mantsy ny fitoriana mahazo ny olona ambony, toy ny nataon’ny depiote 73 ny praiminisitra teo aloha Mahafaly Solonandrasana Olivier noho ny resaka kolikolin’i Claudine Razaimamonjy tokony hahasaringotra azy saingy tsy voakitika ny tenany. Ankehitriny, malaza fa manam-bola be izy ary ho kandida. Vitavita ho azy izany ny fitoriana. Misy ilana azy ve ilay Fitsarana ambony na ny HCJ hitsara ireo tompon’andraikitra ambony sa rafitra takian’ny lalàmpanorenana sy ny mpamatsy vola dia mba natsangana fotsiny ? Hahavita hanara-maso an’io ve ny CENI?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.