Miditra amin`ny herinandro faharoa amin`ny fampielezan-kevitra isika ankehitriny. Nanamarika ny herinandro voalohany ny fampiasana volabe tsy fanta-piavina ataon`ny kandidà sasany.
Mikararana ny vola aparitaka etsy sy eroa ary manao ny fomba rehetra. Eo koa ny fizarana T-shirt sy kojakoja momba ireo kandidà miampy tolotra madinidinika miseho amin’ny endriny maro. Raha vantanina ny resaka, manankarena lavitra noho ny amerikanina ny kandidà sasany, hany ka mampieritreritra ihany izay ho vokany eo anivon`ireo mpamatsy vola. Tsy sasatry ny mangataka fanampiana avy any ivelany i Madagasikara kanefa mihoapampana ny vola afafy amin’ny propagandy. Mipetraka ihany ny ahiahy amin`ny zava-misy satria raha toa ka olona iray mandany ana miliara maromaro amin`ny fampielezan-kevitra no tsy lany dia heverina fa tsy hanaiky moramora ny voka-pifidianana izay hivoaka eo. Hanaiky resy ve ny sasany sa hijery ny tombontsoa ambonin`ny firenena ? Sarotra inoana ihany izany fa hitady ny fomba rehetra hamerenana ny vola nafafiny izy. Ny vola rahateo dia mikararana toy ny rano amin'izao fampielezan-kevitra izao ka tsy maintsy hisy takalony aorian'ny fifidianana. Efa ao anatin`ny fampielezan-kevitra amin`ny fifidianana izao, entanina ny olom-pirenena rehetra tsy hanaiky vidina vola na dia eo aza ny fahasahiranana efa ho lava.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.