Na inona na inona fizotry ny toe-draharaha politika eo, dia inoana fa efa manana ny planina faharoa na “plan B” avokoa ny mpanao politika, indrindra fa ireo sokajiana ho kandida vaventy amin’ny fifidianana.
Na ny avy amin’ny fitondrana na ny ankolafin’ny mpanohitra dia manana izany avokoa, saingy mbola mijery ny fitsoakan’ny rivotra sy izay hitondran’ny politika azy eo. Tsy hay rahateo izay mety mbola hiseho atsy ho atsy, indrindra manoloana io fidirana an-tsehatry ny Fianakaviambe iraisam-pirenena io. Ekena fa manana ny fiandrianantsika isika, saingy tsy nahatohitra ny resaka fisian’ny “ni…ni…”, ohatra, tamin’ny taona 2013. Ny toe-javatra tahaka ireny na ny mitovitovy aminy no tena ilana io paikady fiandry io satria matetika voizin’ny sehatra iraisam-pirenena ny hoe ny kandida efa anisan’ny tompon’antoka tamin’ny krizy dia tsy tokony hirotsaka, raha hiverenana ny tamin’ny fifidianana filoha farany teo. Tsy misy maniry izany fa ny hahafahan’ny rehetra tena mifampitsapa hery ao anatin’ny fifidianana madio aza no irariana, saingy tsy misy mahalala izay haloaky ny ampitso. Ny tsikaritra dia efa manomboka misy ny mpanao politika miezaka manasongadin-tena na any amin’ny mpanohitra na ao anatin’ny fitondrana. Mety hiezaka haka ny fon’ny lehibe sy ny tsodranony hitondra ny fanevan’ny antoko ve ? Sa kosa efa atosika an-kolaka mihitsy saingy tsy hampahafantarina mba tsy hahalalan’ny mpifanandrina ny fomba fiady ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.