Voarain’ ny olona ny hafatry ny kandida laharana faha 25 , ankoatra ny fanohanana ara-bola efa mibosesika amin’ilay kaonty Tahiry ho fampandaniana an’i Marc Ravalomanana dia misy ihany koa ny fianakaviana tsara sitrapo izay nanolotra T shirt miisa 500 omaly.
Lanonana tsotsotra no nandraisana izany teny amin’ny foiben’ny KMMR Belair Ampandrana omaly.Mazava ny resaka fa maharesy lahatra olona ilay fomba fiasa nentin’i Marc Ravalomanana ary tafita tsara ny hafatra amin’ilay hoe miasa miaraka.Efa hita tamin’ny fihaonana teny Ambohijatovo moa fa maro ireo olona, misy tena fianakaviana iray manontolo mihitsy samy niantoka ny fanamiana T shirt sy ny kipitsopitsony miaraka aminy hanehoana’izy ireo ny fanohanana ny kandida Marc Ravalomanana, ka tena nandany vola sy fotoana mihitsy nikarakarana izany.Tsy ny eto Antananarivo ihany no ahitana ny olom-pirenena manampy tahaka izany fa saika amin’ny faritra rehetra maneraa ny nosy.Tianay, atokisanay ka tohanany ny kandidanay laharana faha 25, hoy izy ireo …zavatra tsy maintsy atao izany ary efa santatry ny fandraisana andraikitry ny olom-pirenena sahady amin’ny fiarahana manarina ny firenena rahatrizay lany filoha soamantsara i Dada.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.