Politique

Kandida ho filoham-pirenena sasany Tsy menatra mampiseho tsy fahamatorana


  • Sabotsy 18 Aogositra 2018

Misy izaho mandefa iraka manontany ny dosie ilaina. Ny sasany moa ireny niaraha-nahita ireny fa tsy nametraka dosie indray satria hoe tsy ampy olona ny antoko natsangany.

 

Ny sasany mbola tokony hitaiza kely sy hampinono. Ny sasany hoe ilatsaka satria nangatahana na dia tsy niomana ny amin’izany hitondra firenena izany akory aza. Mety tsy te ho anontaniana mikasika ireo toetra tokony halavirina raha te ho mpitarika modely ireo ihany koa angamba ny sasany matoa nijaikojaiko fa tsy sahy nampahafantatra tamin’ny nahim-pony an’ireo mpanao gazety ny fanapahan-keviny akory. Betsaka aza moa ireo avy nanao fanambarana vinaniany tamin’ny 2 na 3 volana dia tsy nipoitra intsony. Raha aravona dia tsy menatra akory ny ankamaroan’ireo mpanao politika nisafidy ny hirotsaka ho kandida maneho tsy fahamatorana. Dia azo inoana ve fa tena samy mikasa ny ho lany sy hitondra ny tany sy ny firenena tokoa izy ireny ? Sao dia mba tsy fanasoavana vahoaka loatra no kendrena fa sitrany hahay toerana ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT