17 taona lasa izay dia tarigetrana kandida ho filoham-pirenena iray tamin’ny fotoan’androny ny hoe “Amboary ny lalana eto Madagasikara !”.
Nodredrahana faran’izay zokiny io tarigetra io, indrindra, nanomboka taty amin’ny taona 2007 taty ary dia tonga teny am-bavan’ny mpiara-monina tamin’ny ankapobeny ny fanontaniana nandoza hoe “lalana angaha azo hanina ?”. Noho ny fahantrana nihoa-pampana nateraky ny fanonganam-panjakana sy ny tetezamiitatra nanomboka ny taona 2009 anefa dia samy nahatsapa ihany ny rehetra fa anisan’ny maha taraiky ny fahatongavam-bokatra ary mampiakatra ny vidin’entana eny an-tsena ny faharatsian’ny lalana. Mbola tsapa hatramin’izao io tsy fahatomombanana io saingy izay tokoa ilay hoe “ny nenina tsy aloha hananatra fa aoriana handatsa” ary na ireo mpamatsy vola eo amin’ny fanamboran-dalana aza dia taratra fa ilay kandida lany tamin’izany fotoana ihany no tena atokisan’izy ireo hatreto. Azo heverina fa mariky ny tsy fahampian’ny famatsiana, ohatra, ireo lalana bombo voanjo sy rotika, vitan’ny fitondram-panjakana ankehitriny. Anisan’ireny ny lalam-baovaon’ny frankofonia mihazo an’Andohatapenaka, ny lalam-pirenena faharoa sy fahadimy. Fikambanana Kristianina iray indray ankehitriny no lasa mandray an-tanana ny fanamboaran-dalana rehefa nahita fa mihazohazo ny fitondram-panjakana ary efa nahatonga kitapon-tsimenitra 50 taonina raha ny fampitam-baovao voaray. Izany rehetra izany eo ihany fa samy resy lahatra ihany koa ireo kandida ho filoham-pirenena vaovao fa “azo hanina” ara-tsarinteny ihany ny lalana. Hita ho saika manana laharam-pahamehana ary kevoka amin’io resaka io daholo izy mianakavy na dia samy mahalala aza fa kandida hafa talohan’izy ireo voasopatra no tena nivoy izany talohany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.