Politique

Kandidà ho filoham-pirenena Maro no mivezivezy any ivelany


  • Zoma 05 Oktobra 2018

Ho raikitra ny fampielezan-kevitra ato ho ato ka manararaotra faramparany maka tsodrano any ivelany ireo kandidà “matanjaka”.

 

 

 Misy kosa ireo mbola mitady fanohanana ara-bola ary mitety ireo firenena maro any ivelany maka toky hatrany. Maromaro ireo kandidà nivoaka tany ivelany hanatsara ny endrika ivelan`izy ireo na koa mba mikaroka mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka. Ohatra amin`izany i Serge Imbeh izay nihaona tamin`ny filoham-pirenena teo aloha Abdou Diouf. Andry Rajoelina, Jean Max Rakotomamonjy, Roland Ratsiraka, Emma Rasolovoahangy,Fanirisoa Ernaivo, Hery Rajaonarimampianina, Marc Ravalomanana… Tsy azo lavina fa manalokaloka ny fifidianana natao sy atao eto foana ny vahiny na dia tsy milaza izany mivantana aza. Samy manana ny tombontsoany eto mantsy ireo firenena vaventy, misy koa ny hafa te hisisika ka manezaka mafy sy manambitamby kandida any ambadimbadika any. Hiraradraraka ny fampanantenana amin’ny propagandy, saingy mila mitandrina sy mandinika tsara ny mpifidy fa tsy ho roboka amina kabary ambony vavahady fotsiny. Mila fantarina tsara amin’ireo kandida no mahay miasa-miaraka amin’ny vahiny ary mametraka ho ambony foana ny tombotsoan’ny firenena. Fiaraha-miombon’antoka no atao fa tsy ny vahiny no hibaiko.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT