Politique

Kandida ho filoham-pirenena Be no tsy matotra


  • Alakamisy 09 Aogositra 2018

Hatreto, misy sahady ireo kandida sady tsy ampy vola no tsy ampy olona fa mitsapatsapa fotsiny raha vantanina ny filaza azy.

 

 Manao fanambarana fa hilatsaka ary ny sasany dia aorian’izay vao mitady mpiara-miombon’antoka kanefa dia ny ho tonga filohan’ny repoblika no tanjony. Mety azo leferina ny fihetsika toy izany raha depiote sy ben’ny tanàna fa midika ho tsy fahamatorana sy fanaovana tsinontsinona ny hasin’ny politika eto Madagasikara kosa raha fifidianana filoham-pirenena no hanaovana fomba mikivalavala. 3 volana alohan’ny fifidianana, ao anatin’ny fotoana handraisana dosie, dia efa miseho sahady ny fampizaran-dratsy vahoaka. Ny sasany nanatsoaka dosie, ny hafa malaza ho tsy nahaloa hofana dokambarotra. Talohan’izao aza, nisy mpitarika sendika mihitsy nilaza hilatsaka satria nangatahana. Miankanakana avy eo rehefa hanontaniana izay mba vinany kanefa hitondra mponina mihoatra ny 25 tapitrisa isa anatina velaran-tany maherin’ny 599.000km2 no tanjona.

J. Mirija  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT