Efa tsy miafina intsony fa maro amin’ireo milaza azy ho mpanao politika eto Madagasikara no milalao ny fiainam-pirenena. Mampiharihary izany voalohany ny isan’ireo kandida ho filoham-pirenena.
Rehefa dinihina ny vinan’asa dia toa saika mitovitovy daholo. Ny mampalahelo, tsy mba nisy nanam-piniavana hifamondrona sy hanohana kandida tokana rehefa nahita fa mihoatra ny 10 ireo nikasa hametraka dosie tamin’ny fotoan’androny. Tato ho ato ve ianao vao niseho vahoaka dia hihevitra fa hahazo vato mihoatra ny 50% na dia hisy fahagagana aza ? Efa fantatra izao fa tsy hahazo 1% akory kanefa dia mbola misisika ihany. Variana amin’ny adivarotra politika sy mihevitra fa ny fahazoana toerana anaty fitondrana hatrany no miantoka izay ho avy politika izay foana no hita ho mbola toe-tsain’ny mpanao politika Malagasy amin’izao fotoana. Be ireo tia kely ka tsy mahagaga raha mbola toy izao i Madagasikara.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.