Politique

Kandida hibata 1% sy 2% Adivarotra politika no ho betsaka


  • Alakamisy 13 Septambra 2018

Maro amin’ireo kandida ho filoham-pirenena no efa fantatra fa tsy hahazo mihoatra ny 1 na 2% amin’ny fifidianana. Raha hevitra dia manana tokoa fa raha ny hoenti-manana dia tsy mitovy ny herijika noho ny volabe miasa sy mihodina ao anatin’ny fifidianana.

 

 

Ao ny misy hatoraka, ao ny eo ho eo ihany ary tsy ilaozan’izay tsy misy hapoaka. Anisan’ny mamotika fifidianana ny resa-bola be,  saingy mibahan-toerana hatrany eto amintsika aloha hatramin’izay ka hatramin’izao. Fanaovana adivarotra politika sy hanomanana ny hoavy politika no betsaka ho an’ny sasany. Fahita ny hoe amin’ny fihodinana faharoa, dia hanohana ny kandida lehibe izatsy na izaroa, izay hitadiavana tambiny amina toerana ambony. Rehefa tonga ao dia manao izay hahazoana harena ao anatin’ny fotoana fohy. Amin’ny lafiny iray, mety fitadiavana fitoniana ny fampidirana ny mpifanandrina politika tamin’ny fifidianana ao anaty fitondrana, fa amin’ny lafiny hafa dia azo hadika ho fanosihosena safidim-bahoaka satria matoa ireny tsy lany dia tsy maharesy lahatra azy. Tsy atao mahagaga raha miezaka manangom-bola be hahafahana manana tanjaka ara-politika kokoa ny sasany avy eo, ary hifaninanana io, raha jerena tamin’ny governemantan’ny HVM hoe tafakatra praiminisitra teo aloha miisa 2 sy minisitra maromaro no kandida filoha amin’izao. Io ilay toetsaina tia kely tsy mampandroso ary mampiana-dratsy ny vahoaka.

Toky R

 

                                           

                                                                                       

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT