Politique

Kandida hiantehitra amin’ny hala-bato Hahita raharaha amin’ny sehatra iraisam-pirenena


  • Alakamisy 20 Septambra 2018

Samy manana ny paikadiny ny kandida filoham-pirenena. Mikofokofoka mafy mihitsy saingy iray ihany no hipetraka eo amin’ny toerana faratampony.

    Inona izany no hafitsok’ireto hafa ao anatin’izany ? Mirarakopana ny volabe hoenti-mambabo ny mpifidy, mipoapoaka ny famoriam-bahoaka entina hanehoana fa mahazaka olona,… Ny an’ny sasany aza efa toa manao don-tandroka amin’ny seho ivelany fa raha tsy lany eo dia hikorontana ity tany ity. Ao ny efa manantena ny kajikajy politikany hahomby, ao ny efa miantehitra fatratra amin’ny hala-bato satria mihevitra fa azy na akaiky azy ny mpitantsoroka an’io. Na inona na inona kajikajy miainga eo, tsy ho afaka amin’ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena isika hatreto. Vao eo amin’ny resa-bola fotsiny dia efa very i Madagasikara satria mbola vola tangirihina any amin’izy ireo no hanatontosana ny fifidianana. Tsy afaka ny hiolonolona eto isika noho izany fa mbola any amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny baolina. Zava-dehibe ny fahazakana vahoaka fa tena ambony kokoa ny hoe olona afaka mifandresy lahatra ny sehatra iraisam-pirenena, ka misy ny mety ho diso kajy satria manantena ny kajikajy politika. Mampiavaka ity fifidianana ity ny hoe : ao avokoa ireo efa nitondra ny firenena mbola velon’aina, samy kandida ho filoha ary sokajiana ho matanjaka sy manana herijika betsaka hiverina eo amin’ny toerana. Samy nanana ny tantarany tamin’izay fandresen-dahatra ny sehatra iraisam-pirenena sy ny mpamatsy vola ary ny rehetra no afaka mitsara ny tena nahavita sy tsy mahita rirany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT