Tafapetraka omaly alarobia 19 septambra ny birao vaovao dia ny « QG » na Foiben-toeran’ny Kandida laharana faha-12 Hery Rajaonarimampianina eny Andraharo.
Mahazaka olona miisa 250 eo izy io, ahitana toerana natokana hikirakirana ny lafiny "informatique", fandraisam-bahiny, handraisana ireo mpanao gazety,... izany hoe natao izay haharifomba azy. Ao no hiasa ny Kandida Hery Rajaonarimampianina sy ny ekipany manomboka amin'ny fampielezan-kevitra sy mandritry ny fifidianana, iaingan’ny paikady rehetra. Ankoatra ny fanokanana natao, nisy ihany koa ny vavaka fangataham-pitahiana sy fitsofan-drano ny Kandida. Nisintahan-dRajaonarimampianina izany Antanimena misy ny foiben-toeran’ny HVM. Toe-javatra toa manaporofo fa misy ny lonilony eo amin’ny samy HVM. Hatry ny ela rahateo no nandrenesana fa te hanadio ireo manodidina azy ny filoha teo aloha eo anatrehan’ny laza ratsin’ny HVM sasany izay miantraika any aminy na nanimba azy tamin’ny politika. Tsy tongatonga ho azy ihany koa no nitsanganan’ny Vovonana Politika Voromahery, izay vondrona miaro sy manohana azy amin’ny fifidianana. Re moa fa tena ho avy masiaka izy amin’ny propagandy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.