Tsy adala ny mpamatsy vola sy ny mpiara-miombon’antoka avy any ivelany ka tsy hahita sy tsy hahafantatra ny tarehimarika ara-toekarena an’i Madagasikara nandritra ny fitondrana nifandimby.
Nanambara ny mpahay toekarena iray fa miteny ho azy ireny tarehimarika ireny ary hita ho mamirapiratra hatrany izany tamin’ny fitondran’ny filoha Ravalomanana. Na dia misy aza ny kandida sasany milaza fa hotohanan’ny firenena matanjaka avy any ivelany dia efa hita maneran-tany ny ezaka sy ny asa rehetra vitan’io filoha io. Iza no tsy mahalala ny fahaizany mifandray amin’ireo mpamatsy vola ireo ary efa fantatra ihany koa ireny fanadihadiana natao nahazoany amboaran’i Afrika tamin’ny fahaiza-mitantana ireny. Nanamafy hatrany koa ity mpahay toekarena ity fa tena malaina ny mpamatsy vola raha mbola olona nanongam-panjakana ary efa nosaziana no hiverina eto. Tsy narisika ihany koa anefa ary nitsitaitaika ny fanampiana ara-bola tamin’ireo mpamatsy vola tamin’ity fitondrana ity. Na dia izany aza dia nosokajiany ho mbola kandida mety hahazo vato betsaka ny filoha 3 efa nitondra dia Ravalomanana, Rajoelina ary Rajaonarimampianina saingy raha ny fahatokisan’ny mpamatsy vola dia mbola manana ny tanjany hatrany i Dada.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.