Marina fa eo ny hevitra sy ny vina hoenti-mandresy lahatra ny vahoaka fa rehefa tsy misy ny vola hoenti-mihetsika amin’ny fifidianana eto amintsika, dia hiditra ao anatin’ny klioban’ny kandida mpibata 0% mahery kely.
Mety ho an-jatony miliara maro na an’arivony mihitsy ny vola atonton’ny kandida matanjaka amin’io satria raha ny vidin’ny T-shirt iray miainga any Chine, ohatra, dia 4.000 Ar eo, ka raha manonta 10 tapitrisa izay mifanahantsahana amin’ny isan’ny mpifidy ny kandida iray, dia 40 000 000 000Ar no ilaina. Lojika, raha misy kandida manao fifanarahana amin’ny vahiny toy ny sinoa na ny karana, ka resaka tany na harena ankibon’ny tany no sandan’ireny, rehefa lany ny kandida iray. 50 tapitrisa ariary isan’ora ny hofan’ny fiaramanidina na ireny « jet » ireny amin’ny propagandy, ary 40 tapitrisa ariary kosa izany ho an’ny angidim-by. Misy distrika 114 eto amintsika raha miala ny eto Antananarivo, kanefa tsy misy afa-tsy 30 andro eo no hahafahana manao propagandy amin’izay. Mila mahatety distrika 4 eo ny kandida iray ao anatin’izay 30 andro tsy miato. Raha atao kaontikaonty tsotsotra hoe : mandany 4 ora isan’andro amin’ny fiaramanidina, dia mila manana 200 000 000Ar isan’andro eo ho eo, raha mampiasa angidim-by miampy ny mety ho filana madinidinika, ka raha ao anatin’ny 26 andro io, izany hoe mba maka aina ny kandida rehefa alahady, dia manome 5 200 000 000Ar izany. Ny resaka karaman’ny artista tsy resahina sy zavatra samihafa, kanefa dia mbola misy kandida mahavita mizara 5.000 na 10.000Ar isan’olona, toy ny fanaon’ny manga kiravaty, ka raha 10.000Ar ho an’ny mpifidy 5 tapitrisa, ohatra, dia 50 000 000 000Ar no lany. Atao mahagaga ve raha malaza ho nahangona 12 000 000 000 000 Ar azo tamina vidina boaderozy nandritra ny tetezamita ny olona iray heverina ho kandida, ary efa nitety faritra teo aloha teo satria niomana fatratra ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.