Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fotoana fizaram-baovao mahakasika ny famatsiam-bola ho an’ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana, ny praiminisitra Ntsay Christian, tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly.
Notsipihiny fa ilaina ny manatanteraka izao fampitana sy fizarana vaovao izao mba hitovian’ny fahafahan’ny rehetra mahazo sy mahafantatra amin’ny antsipiriany ny momba ity lalàna mifehy ny famatsiam-bola ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana ity. Nanamafy koa ny tenany ny amin’ny tokony hanendren’ireo kandidà ny mpitam-bolan’izy ireo avy, misy mantsy ireo mbola tsy manana izany hatramin’izao andro vitsy mialohan’ny fanombohan’ny fampielezan-kevitra izao. Nanararaotra ny fotoana ny praiminisitra, niarahaba an’ireo mpikambana ao amin’ny rafitra mpanara-maso ny famatsiana ara-bola eo amin’ny sehatra politika. Mila havaozina ny fomba fanaovana politika eto Madagasikara, ary tsy maintsy hatsaraina ny fenitra arahina amin’ny fikarakarana fifidianana, amin’ny fitantanana ireo famatsiana ny sehatra mahakasika ny fiainam-bahoaka, ary eo amin’ny tontolo ara-politika. Nandray anjara tamin’izao fotoana fampitam-baovao sy fizaram-baovao mahakasika ny famatsiam-bola ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana izao, ireo tompon’andraikitra samihafa voakasiky ny fanomanana ny fifidianana, ary ny mpanao politika samihafa.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.