Politique

Kandida filoha Samy hampiasa fitaovana goavana


  • Alarobia 01 Aogositra 2018

Manomboka miditra lalina amin’ny fifaninanan’ny fifidianana isika na tsy mbola raikitra aza ny propagandy.

Eo ny fisokafan’ny fandraisana ny dosie ho an’ireo kandida manomboka anio, fa manintona ny saina ihany koa ny fiomankomanan’ireo kandida na ara-bola na ara-pitaovana. Sarotsarotra ny fisokirana ny ara-bola fa raha ny ara-pitaovana, dia efa misy ihany ny fantapantatra amin’izao. I Marc Ravalomanana dia re fa hampiasa angidimby 2 na 3, ka andrasana amin’ny volana septambra ny fahatongavany. I Andry Rajoelina dia re fa hampiasa angidimby 4 na 5 miampy « Avion léger » na fiaramanidina kely 1 sy « Jet Corvette » an’ny Kaompania TOA (fananan’i Mamy Ravatomanga), raha ny feo mandeha.  Ho an’ny Pasitera Mailhol kosa dia angidimby 2. I Paul Rabary, izay tombanana ho kandida ihany koa, dia malaza fa hampiasa angidimby 1. Ny praiminisitra teo aloha Mahafaly Olivier ihany koa dia re siosio, fa ho kandida, ary hampiasa angidimby 1 ihany koa. Ny filoham-pirenena ankehitriny Hery Rajaonarimampianina kosa, dia hampiasa angidimby 5 miampy fiaramanidina madinika miisa  2  sy “Jet falcon” iray vao azon’ny Madagasikara Airways, raha ny fantapantatra hatreto. Ny hofan’ny angidimby iray anefa 40 tapitrisa ariary isan’ora eo, ary 50 tapitrisa kosa ny “jet”, izay midika fa volabe no hatonton’ireo kandida amin’io fifidianana io. Avy aiza avokoa ny loharanom-bola amin’io e ? Ny an’ny sasany, malaza fa vola azo tamin’ny boaderozy an’arivony miliara fony tetezamita, ny an’ny hafa takalon’ny famarotana tanindrazana amin’ny sinoa sy ny karana…

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT