Politique

Kandida filoha Misy ireo mbola mivoaka any ivelany


  • Zoma 14 Septambra 2018

Manararaotra maka toky faramparany any ivelany ireo kandidà hisedra safidim-bahoaka amin`izao fotoana.

 

 Raha ny fantatra, lasa any andafin`ny riaka i Andry Nirina Rajoelina. Mbola any rahateo ny kandidà sasany toa an’i Fanirisoa Ernaivo. Hanaraka ny dian`izy ireo ihany koa i Jean Max Rakotomamonjy. Misy moa no efa tonga eto an-toerana tamin`ny faran`ny herinandro lasa teo, dia i Serge Imbeh. Tsy atao mahagaga izany satria ireo mpamatsy vola eto an-toerana dia mialokaloka any ivelan’ny ranomasina ankehitriny. Eo anatrehan’ny olana ara-bola miseho eo amin’ny fitondram-panjakana, dia ny tsy fisian’ny vola avy amin’ireo mpamatsy vola mahazatra noho ny fanapahan-kevitr’izy ireo hampihantona aloha ny famatsiam-bola an’i Madagasikara, hany ka miakatra io ny devizy matanjaka (euro sy dollar), ary mitotongana be ny sandan’ny ariary. Izany hoe tsy mahatoky ny fitondrana sy ny zava-kitranga aoriana ireo mpamatsy vola mahazatra eto an-toerana noho ny tsy fisian`ny fahatomombanana eo amin`ny fikarakarana fifidianana. Hiakatra ny vidim-piainana eto Madagasikara satria  ny fitotongan’ny vola malagasy miohatra amin’ireo “devises” ireo no antony iray lehibe indrindra mampahantra an’i Madagasikara. Efa hita taratra sahady ny fahadisoam-panantenana ho an’ireo kandida sasantsasany tsy hanam-po ny tena safidim-bahoaka rehefa mivoaka ny voka-pifidianana satria mitaky fomba fanaovana politika vaovao ny Malagasy. Manoloana izany, tokony homena lanja ny fifidianana, izay  hiompanan’ny ain-dehiben`ny firenena ny vokatry ny safidim-bahoaka. 

Legen

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT