Politique

Kandida filoha miisa 22 Manome 24 ora hanavaozana ny lisi-pifidianana


  • Zoma 05 Oktobra 2018

Misy ny fangatahana napetrak’ireo kandida miisa 22 tetsy amin’ny Solimotel Anosy omaly alakamisy 4 oktobra. Manome 24 ora an’ireo fitondrana mahefa sy ny tompon’andraikitra manam-pahefana eto Madagasikara izy mba hanokafana indray ny lisi-pifidianana hampidirana ny lisitry ny olona tsy tafiditra ao kanefa efa feno 18 taona ary manan-jo hifidy.

 

Eo ihany koa ny tokony hanesorana ny zavatra rehetra tsy mety sy tsy tomombana ao anatin’io lisitra io. Anisan’izany ny tsy maintsy hanalana ny anaran’ireo olona efa maty voasoratra ao, ny fanafoanana ireo anarana miverimberina (doublons) ary misy ihany koa aza ireo anaran’olona tsy ampy taona voasoratra ao anaty lisitra. Ankoatra izay ny biraom-pifidianana izay mahatratra hatramin’ny 4.000 amin’izao dia tokony hampahafantarina ny vahoaka ka  mila hatao peta-drindrina amin’ny kaominina sy ny fokontany mba ahafantaran’ny olona ny fisian’ireo biraom-pifidianana ireo. Nanambara ihany koa izy ireo ny amin’ny fanahiana hisian’ny biraom-pifidianana foronina  fotsiny satria manjavozavo tanteraka ny momba azy amin’izao. Nangataka ihany koa ireto kandida ireto ny hanaovana lalàna ilay satam-pitondrantena mandritra ny fifidianana ho an’ny kandida (charte de bonne conduite)  ka asiana sazy famaizana ho an’ireo mandika izany. Nomarihin’izy ireo moa fa fandrika fotsiny ny fampanaovan-tsonia ilay sata lazaina  hitondra fitoniana iny kanefa mbola tena maro be ny tsy fahatomombanana ao amin’ny lisi-pifidianana. Mampalahelo ireo kandida ireo ihany koa ny fitenenana fa tsy azo kitihina intsony ny  lisitra kanefa nanambara  ny OIF fa nanala ny anarana miverimberina. Araka izany dia nametra-panontaniana  izy ireo hoe fa maninona  ny OIF no afaka mikitika  ny lisi-pifidianana tahaka izany kanefa nambara fa tsy azo hetsehana intsony ny lisitra ?

 

Tsirinasolo

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT