Hisy ny fanetsehana mpitandro filaminana hitandro sy hiaro ny ain’ireo kandida miisa 36 mirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena raha ny tatitry ny filankevitry ny minisitra omaly, ka afaka mangataka izany izy ireo.
Anisan’ny fepetra horaisina hitandroana ny filaminan’ny fifidianana io. Ny fahafatesana kandida iray moa no toe-javatra iray lehibe hahafahana manemotra ny fifidianana, ankoatra ny toe-javatra tsy azo ihodivirana sy ny hamehana mety hahazo ny firenena, ka izay no mety ho antony hiarovana manokana ireo kandida. Ahiana ve ny mety hisehoan’ny fifofoana aina kandida ? Somary miavaka kosa anefa ny fiarovana ireo olona manana sata manokana toy ny filoham-pirenena na filoham-panjakana teo aloha. Nanome toromarika ihany koa ny filoham-panjakana Rivo Rakotovao mba tena hifaraka amin’ny filana ny fanetsehana ny mpitandro filaminana ary tena ho hentitra io resaka io hisorohana ny mety ho fanakorontanana. Ankoatra izay, raha tsy misy ny fiovana, hisy anio ny fivoriana iarahan’ny solontenan’ny kandida amin’ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy na ny CFM hiresahana ny momba ilay sata manokana momba ny fitondran-tena tokony hananan’ny kandida sy hisorohana ny korontana mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana tiana hapetraka. Tanjona ny hanaovan’ny kandida sonia io sata manokana io hanekena ny voka-pifidianana, izay ambara fa hangarahara. Asa aloha na hahatafavoaka baolina ny CFM ao anatin’io na ahoana. Iaraha-mahalala rahateo ny mbola karazana tsy fitovian-kevitra sy tsy fifampatokisana ao anatin’izay resaka fangaraharan’ny fifidianana izay. Hotanterahina anio eny amin’ny Biraon’ny CENI eny Nanisana ihany hany koa ny antsapaka momba ny fandraisam-pitenenan’ny kandida ao anatin’ny haino aman-jerim-panjakana TVM sy RNM.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.