Politique

Kandida Faniry Ernaivo Nanatitra dosie ny « Gisa mainty »


  • Alakamisy 09 Aogositra 2018

Kandida fahefatra nanatitra ny dosie maha kandida ho filoham-pirenena azy tetsy amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana omaly ny kandida natolotry ny antoko politika ZAnak’i MAdagasikara ( ZAMA) sy ny « Parti travailliste de Madagascar », Faniry Ernaivo.

« Ity ve ilay Gisa mainty ? », hoy ny mpandalo. Tsikaritra mantsy fa niara-dia taminy tetsy Ambohidahy ny ankamaroan’ireo mpilalao sarimihetsiky ny orinasa namokatra ilay horonantsary “Gisa mainty” sy ny mpanatontosa. Tonga ny fotoana, hoy ny kandida Faniry Ernaivo, hitondrana fanovana eto amin’ny firenena. Ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny kolikoly, ny fametrahana ny fanjakana tsara tantana ary ny fampandrosoana ny lafiny toekarena raha bangoina no vinan’ity kandida ity. Manomboka eto izahay dia afaka miditra amin’ny fanaovana fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana. Tsy misy lalàna mametra izany saingy tsy hivaona amin’ny lalàna izahay, hoy hatrany i Faniry Ernaivo. Tombony ho azy mitaha amin’ny hafa, hoy ny tenany, dia olom-baovao aho, vitsy ny kandida vehivavy ary efa nanome porofo fa vonona ny hiady amin’ny kolikoly sy ny fanjakana tsy tan-dalàna na dia tsy nanao politika aza.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT