Politique

Kandida Faniry Ernaivo Hampandresy an’i Dada izy sy ny olony


  • Sabotsy 01 Desambra 2018

Nidera manokana ny fananan’ny vahoaka fo sy saina tony nanoloana ny fihodinana voalohany tamin’ny fifidianana filoham-pirenena teo ny kandida Faniry Ernaivo.

 

 

 Nisaotra ihany koa tamin’ireo rehetra niray fo sy saina nametraka ny fitokisana taminy nanerana ny nosy ka nandrotsa-bato ho azy. Mihazakazaka mafy ny toe-draharaha ankehitriny, ary tsy azo hihodivirana intsony ny fihodinana faharoa, araka ny didin’ny HCC. Tanjontsika ny hanafoana ny kolikoly sy hametraka tany tan-dalàna, ary hiady amin’ny tsy fandriampahalemana, hoy izy. Hanafoana ihany koa ireo fifanarahana miafina rehetra miendrika fivarotana tanindrazana sady fandrobana ny harem-pirenena, mba hisitraka izany izaho sy ianao, indrindra hijery akaiky ny momba ny faritra ara-toekarena manokana na ny ZES. Mba ho tombontsoa ambonin’ny firenena sady tsy ho mpitazam-potsiny sy ho fandraisana andraikitra hatrany, dia nanapa-kevitra ny tenako, hoy i Faniry Ernaivo fa hanohana ny kandida laharana faha-25 Marc Ravalomanana amin’ity fihodinana faharoa ity satria tsy mifanohitra amin’ny foto-kevitra ijoroako ny vina entiny. Miantso ireo rehetra resy lahatra tahaka azy izy, mba hifanampy sy hifanome tanana indray hiaro ny safidy amin’ny hosoka mety hitranga, koa handeha hatsangana ny CO25 na ny “Comité d’Ouverture hanohana ny 25, misokatra ho an’ny rehetra, hoy izy. Hohatevenintsika ireo fikambanana rehetra manohana ny kandida Marc Ravalomanana (TIM, KMMR, K25,…) ka tsy havelantsika hahodinkodina ny safidim-bahoaka masina. Nohamafisiny fa tsy kisendrasendra ny naha 24 azy, fa efa voalahatra ho eo anilan’ny 25. Ataoko ahoana ny hijery ny loza hanjo ny fireneko. Manomboka maneho ny heviny izany izao ireo kandida izay ny fanohanana an’i Marc Ravalomanana no heverina fa hahazo laka na eo aza ireo milaza tsy hanohana na iza na iza tahaka an’i Hery Rajaonarimampianina, izay milaza ny hijanona ho ray aman-dreny aho, hoy izy. Ireo olom-boafidy HVM sy tompon’andraikitra ambony kosa dia efa maro no maneho ny fahavononana hifanolo-tanana amin’i Marc Ravalomanana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT