Politique

Kandida Dama Maniry ny hihaona amin-dRajao, Ravalo ary Rajoelina


  • Sabotsy 29 Septambra 2018

Araka ny vaovao nivoaka tetsy anivon’ny birao fiasan’ny antoko politika Manajary Vahoaka na ilay antoko manohana ny kandida ho filoham-pirenena, Zafimahaleo Rasolofondraosolo, fantatra amin’ny hoe Dama Mahaleo,

 dia maniry ny hifanatrika an-databatra boribory amin’ireo filoham-pirenena teo aloha malaza ho favori amin’ity fifaninana hahazo an’Iavoloha ity, izany hoe Hery Rajaonarimampianina, Marc Ravalomanana ary Andry Rajoelina, ny kandidan’izy ireo. Tiany raha mandeha amin’ny haino aman-jery izany fihaonana izany, raha ny fampitam-baovao hatrany. Te hamantatra sy hampahafantatra amin’ny vahoaka ny antony nahatonga ny firenena ho nitontongana tao anatin’ny fifandimbiasam-pahefan’izy 3 mirahalahy i Dama, raha ny fanazavana. Dama, hoy izy ireo, dia nanambara hatrany fa fotoana izao handraisan’ny olom-pirenena tsirairay andraikitra, araka ilay fitenenana hoe, tsy adidiko izaho samirery fa adidiko izaho sy ianao. Mila ovana ny rafi-pitantanana eto amin’ny firenena ary heverin’ity kandida ity fa izy 3 mirahalahy ireto no tomponantoka voalohany tamin’ny fitantanana farany an’i Madagasikara ary antony ilana mafy io fihaonana io, raha ny fanazavana.

 

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT