Politique

Kandida Dama Mangataka tsipaipaika


  • Sabotsy 08 Septambra 2018

Manam-bola izahay fa tsy manana hafafy, hoy ny kandida ho filoham-pirenena, Rasolofondraosolo Zafimahaleo na Dama Mahaleo, sy ireo mpiara-dia aminy omaly raha nangataka tolo-tanana tamin’ny vahoaka malagasy tetsy amin’ny Pietra Hotel Analakely.

 

 Hatramin’izay, hoy izy ireo, dia novidiana foana ny safidim-bahoaka. Fanambaniana ny Malagasy izany. Andeha, hoy i Dama, hoporofointsika fa manana hambom-po ny Malagasy raha toa ka natao entam-barotra taloha. Nampahafantarina omaly ary ny fisian’ilay antsoina hoe : “Crowdfunding” na “Tsipaipaika Valimbambena”. Fanolorana izay foy ho fanohanana ity kandida ity izy io, raha ny fanazavana, na ara-bola na ara-pitaovana. Azo arotsaka amin’ny alalan’ny finday na tranonkalam-pifandraisana izy ity kanefa dia azo aterina mivantana amin’ireo tompon’andraikitra ihany koa.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT