Nametraka ny taratasy filatsahan-kofidiany ho filoha teny amin’ny HCC Ambohidahy omaly i Dadafara na Joseph Martin Randriamampionona,
izay efa kandida tamin’ny 2013, tamin’ny alalan’ny antoko RTM (Refondation Totale de Madagascar). Ny lalana, trano, hopitaly sekoly,… no hifantohany kanefa tokony ho zakan’ny tetibolantsika madio raha tena marina sy madio fo ny mpitondra. Anisan’ny nohitrikitrihiny fa tao anatin’ny 16 taona nitondran’ireo mpitondra 3 dia tsy nisy 1000km ny lalana vita. Tsy hay na diso fiteny izy na ahoana fa 10 000 km latsaka kely no vitan-dRavalomanana. Ao anatin’ny 5 taona tokony hanan-karena indrindra eran-tany isika, ary matanjaka indrindra aty Afrika, raha madio fo ny mpitondra. Mikasika ny lalàm-pifidianana, dia io no misy dia tsy maintsy miditra ny tena. Io anefa dia notefena tsy natao hampandroso firenena fa napetraky ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina ho azy manokana, saingy tsy nahazo nilatsaka izy, raha ny fanehoan-kevitr’i Dadafara. Napetrany fa ny depiote no manendry ny praiminisitra, izay manana fahefana betsaka. Ny eritreriny tamin’izay fotoana izay dia hoe ny filoha Hery Rajaonarimampianina notohanany dia tsy navelany nametraka depiote fa izy no nametraka tamin’ny alalan’ny MAPAR. Nieritreritra izy tamin’izay fotoana izay fa izy no hahazo ny maro an’isa tao amin’ny parlemanta, ka izy no lasa praiminisitra, ary afaka 6 volana dia haongany ny filoha Hery Rajaonarimampianina, hoy hatrany ity kandida ity. Tsy hampandrosoana io fa napetrany hahafahany miverina amin’ny fitondrana. Tsy ny filoha ho lany eo no tokony hikitika io lalàmpanorenana io, fa izao io dia efa tokony hamboarina, hoy izy, izay toa manaiky tsy fidiny raha ny fanehoan-keviny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.