Politique

Kandida Arlette Ramaroson Nisy nitoraka « cocktail molotov » ny foiben-toerany


  • Alatsinainy 10 Septambra 2018

Nahitana irony karazana baomba vita tanana na « cocktail molotov », tavoahangy voasisika fasika sy lasantsy izay mety hitera-doza raha mipoaka irony, teny Ambondrona teo amin’ny vavahadin’ny Foiben-toerana QG (Quartier Général)

 

 

an’ny kandida filoham-pirenena Arlette Ramaroson omaly vao maraina. Tsy maintsy nantsoina ny mpitandro ny filaminana nijery ifotony io toe-javatra io, ka namaly ny antso avy hatrany ny avy amin’ny sampana misahana ny ady amin’ny heloka bevava na ny BC etsy Anosy nampian’ny avy amin’ny Commissariat Central sy Analakely, ka efa misokatra ny fanadihadiana amin’izao fotoana. Eo anatrehan’ity karazana fampihorohoroana na mety ho fifofoana aina mihitsy aza ity, dia maniry na hahafantarana ny tompon’antoka izy, ary « manameloka » izay tompon’antoka i Arlette Ramaroson na avy amin’iza na avy amin’izao no ao ambadik’izao. Tsara ny mampahatsiahy, fa kandida anisan’ny mivoy ny tokony hisian’ny fandaminana mialoha ny fifidianana eto amin’ny firenena i Arlette Ramaroson, ary vao ny faran’ny herinandro teo izy no naneho hevitra fa mila hahemotra aloha ny fifidianana. Anisan’ny fanehoan-kevitra efa nambarany ihany koa ny tokony hampitsaharana ny fifanarahana mikasika ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany izay misy tsy milamina sy miteraka savorovoro. Misy hidirany amin’ireny fanehoan-kevitra nataony ireny ve ity karazana fampihorohoroana ity sa antony hafa mihitsy ? Tsy milamina ny tany, ary mandeha ny karazana fampihorohoroana, izay tombanana ho misy ambadika politika.

Toky R.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT