Rehefa avy nitety faritra, dia nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny haha kandida azy hofidiana ho filoham-pirenena i Andry Rajoelina nandritra ny famoriam-bahoaka nataony teny amin’ny Lapan’ny Kolontsaina Mahamasina omaly alarobia 1 aogositra.
Nilaza ho nahavita sy nametraka izy tamin’ny tetezamita ka noresahiny ny Lapan’ny tanàna etsy Analakely, ny kianja Maki,… Afaka manao avo zato heny tamin’ny zavatra vitako tamin’ny tetezamita aho, ary izay lazaiko tsy maintsy vitako, hoy i Andry Rajoelina. Nanolotra lakile tamin’ny 2013 saingy niteraka fahadisoam-panantenana ho an’ny vahoaka Malagasy, izay latsaka tao anaty fahantrana lalina. Tsy maintsy alaintsika iny lakile iny, hoy izy, ary nambarany fa izy dia tsy naman’ny resy fa mpandresy. Tia miatrika fifaninanana ary tsy matahotra ny mifanatrika na amin’iza na amin’iza. Notanisainy moa ireo karazana amboara efa azony toy ny tamin’ny resaka fandraharahana sy ny sedra nolalovany. Raha ny ambarany, tetikasa hampandrosoana ny firenena, dia niezaka nampilendalenda ny rehetra Rajoelina, toy ny hoe 25 miliara ariary hanaovana oniversite raitra manerana ny faritra eto Madagasikara, tsara foanana ny antenimierandoholona fa mandany vola … Raha ny tantarany tamina tontolon’ny fifidianana kosa dia ny taona 2007 i Andry Rajoelina no lany ho ben’ny tanàna teto Antananarivo, ary io no hany fifidianana nandraisany anjara. Hiatrika fifidianana filoha izany izy amin’izao 2018 izao, ary milaza fa sahy sy efa mpandresy aza. Ny tsara homarihina dia Antananarivo tsy Madagasikara, ary efa maro be koa ny zavatra niova tao anatin’izay 10 taona mahery izay. Mety manana ny zavatra handresen-dahatra ny mpifidy i Andry Rajoelina kanefa na izany aza, dia maro ny ratram-po sy ny takaitra navelan’ny tetezamita. Toa mahalasa saina ihany ny somary vazivazy hafahafa nataony tamin’ny hoe izay lasa homba ny lasa satria izaho tsy mahita ny any aoriana. Nisy niantso ahy hoe bandikely fa efa nihamatotra aho ankehitriny fa nampivoatra ahy ny fiainana, hoy Rajoelina nanome toky.Nivandraavandra be fa manan-katokana i Andry Rajoelina amin’ny resaka serasera sy ny seho ivelany; mazava ho azy fa matevina ny ho enti-manana ara-bola matoa mahavita manao seho goaana nialohavana dokam-barotra makotrokotroka.Mampanontany ten any maro ny loharanom-bola mazava ny amin’izany fihetsiketehan’ny filohan’ny tetezamita teo aloha izany.
Raha ny vaovao azo omaly hariva, dia efa tafapetraka eny amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny taratasy firotsahan-kofidian’i Andry Rajoelina, ka ny mpahay lalàna Andry Herizo Rakotozafy, zanaky ny minisitry ny atitany Christine Razanamahasoa no nanatitra azy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.