Nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny fipetraky ny antoko Maitso manoloana ny fiavian’ny fifidianana ho filoham-pirenena tamin’ny faran’ny herinandro teo ity antoko politika ity.
Kandida isan’ny heverina ho Favori iray moa rah any nambaran’ny filohan’ny antoko, Alexandre Georget no ho tohanan’izy ireo. Latsaka an-katerena ny firenena. Tsy voafehy intsony ny elanelana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra. Anjakan’ny bodo sy adala ny tontolo iainana izay mitahiry ny harem-pirenena saingy raha mbola misy koa ny maitso dia tsy ho foana ny fanantenantsika, hoy izy. Anisan’ireo kandida torian’ny Transparency international sy ireo fiarahamonim-pirenena vitsivitsy moa ny kandida tohanan’ny antoko Maitso. Namaly izany fiampanganaizany ny tenany ary nanambara fa anjaran’ny fitsarana no mandinika. Misy ny atao hoe “présemption d’innoscence”, hoy izy, ary matoa navela nilatsaka ireo kandida 36 ireo dia tsy misy olana raha ny fahitan’ny HCC azy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.